Tsara bika, matanjaka, ary anananao fahalalahana hanorina izay tadiavinao rehetra. Sady maimaimpoana ny WordPress no tsy voasanda vola.

Matokia ny tsara indrindra

38% amin'ny web dia mampiasa WordPress avokoa, na blaogy fialam-boly hatramin'ireo tranonkala fampahalalam-baobao goavana indrindra.

Zava-bita matanjaka

Tsy misy fetra ny afaka atao. Inona no ho vokarinao ?

  • Bika
    azo volavolaina
  • Vonona
    amin'ny SEO
  • Sahaza
    ny finday
  • Zava-bita
    avo lenta

  • avy hatrany
  • Fiarovana
    Mahery vaika
  • Fitantanan-tsary
    Matanjaka
  • Mora ampiasaina

Hitaro ny tanjaky ny WordPress-nao amin'ny alalan'ny plugins maherin'ny 55 000 ahazoanao tranonkala mifanaraka amin'ny ilainao. Ampio tsena an-habaka, andian-tsary, mailing lists, forums, antontanisan'ny mpitsidika ary maro hafa.

Fiarahamonina

Mpikirakira kaody, mpanoratra, ary mpitantana tranonkala an-hetsiny no mifampotoana isam-bolana amina tanàna miisa 817 maneran-tany.

Jereo ny vondrona WordPress akaiky anao

Manomboha mampiasa WordPress

Olona maherin'ny 60 tapitrisa no nisafidy hampiasa WordPress hampiodina ny tranonkala handrian'ny fony — Ianao sisa.

Vaovao farany tao amin'ny Blaogy

Tena mbola ilaina ve ny hanao tranonkala amin’ny teny malagasy ?

WordPress no CMS mampiodina maherin’ny 35% an’ny tranonkala amin’izao fotoana izao, sady mora ampiasaina indrindra. Anisan’ny ahitana azy betsaka ireo tranonkala, hatramin’ireo tranokalan’ny andrim-panjakana maro eto amintsika. Saika teny français foana nefa matetika no fampiasa amin’ireny tranonkala ireny, na ireo mampiasa WordPress na tsia. Misy aza mahavita mitantana teny maro ankoatra ny français, toy ny […]

Mora kely toy ny …

  1. Misafidiana mpampiatrano azo antoka sady mba manohana ny WordPress koa amin’izay.
  2. Sintony dia ampidiro WordPress anaty ny 5 minitra monja. Tsy mbola nisy fahamorana toa izany.
  3. Manokàna fotoana hamakiana ny tahirin-kevitra, hanatombo isanandro ny fahalalanao ny WordPress mba ahafahanao manampy ireo hafa ihany koa.